Ary hoy Elisa tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin’ ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan’ i Moaba.